Toamasina : Fanafihana “Sri-lankais”



Jacaranda

Vao tsy maizina akory ny andro dia efa raikitra ny fanafihana mitam-basy tao Toamasina, tao amin’ny Cité Haras Parisela. Efa-dahy nisaron-tava ary mitam-basy no nanafika teratany vahiny  Sri-Lankais iray, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Volabe no lasa,  saingy tsy mbola voamarika aloha hoe ohatrinona. Mpandraharaha ilay vahiny ary vola niditra taminy teo amin’ny tapa-bolana teo no nisy nandroba, raha araka ny vaovao azo tany an-toerana hatrany. Raha ny fihevitry ny maro dia olona efa mahafantatra azy ihany no nanao ny fanafihana matoa nanao saron-tava. Maro rahateo ny olona mifanerasera aminy, ao ny mpanera, ny mpandraharaha hafa, ny vehivavy miaraka aminy hany ka lasa mahita ny fiainany sy ny fidiran’ny vola. Omaly ihany dia nisokatra ny fanadihadiana momba ity fanafihan-jiolahy ity, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana.

D.R

Share This Post