Ivato : Lehilahy saika hanondrana sokatra 127 tratra



Jacaranda
Natao tao anaty valizy ireo sokatra tratra ireo
Natao tao anaty valizy ireo sokatra tratra ireo

Lehilahy iray teratany malagasy no tratran’ny polisy misahana ny lafin-tany teny Ivato, saika hanondrana sokatra miisa 127 antsokosoko any ivelany. Omaly faha 11 martsa no nahasaronana ity fanondranana tsy ara-dàlana ity. Saika handray ny zotram-piaramanidina ho any Naorobi ity olona ity. Tamin’ny fisavana ny entany nampandalovina scanner no nahitana ireo biby ireo. Natao tao anaty valizy ireo sokatra ireo ka ny16 mbola zanany kely, ny 36 mbola tanora ary 55 antonony. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa saika hoentina any Tanzanie ireo biby ireo, karazany izay tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara.

Vao herinandro mahery lasa izay no nahatratrarana vehivavy teratany rosiana nitondra io karazany io niaraka tamina bibilava sy tanalahy teny Ivato.

r.s.

Share This Post