Tapatapany



Jacaranda

Antsiranana

Ny folo martsa lasa teo no nosamborina ny « foroche » miisa efatra , noho ny fandratrana mpianatra tao amin’ny SEG Soafeno, ny 7 martsa lasa teo. Avy hatrany dia natolotra ny fitsarana moa izy ireo, ka nivoaka tamin’izany ny sazy mihantona ho an’izy efa-dahy ireto, miampy vehivavy efatra izay mpamatsy rongony azy ireo, satria voamarina fa mandray zava-mahadomelina ireto tanora ireto alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny.

Mahajanga

Mpangalatra moto iray no tratra ambodiomby  ny alahady maraina lasa teo, teo akaikin’ny Galana Majungabe. Avy hatrany dia nitangorona ny olona ka nanao fisavana tamin’ity rangahy. Vao mainka nampirehitra ny hatezeran’ny olona ihany koa ny nahitana basy PA tany aminy, ka tsy voatana intsony ireto vahoaka marobe fa namely azy avy hatrany. Tena naratra mafy tokoa ilay io ary efa nentin’ny  manam-pahefana notsaboina any amin’ny hopitaly, mialoha ny hanolorana azy ny fitsarana

Nangonin’ i Alem

Share This Post