Alakamisy Fenoarivo : Miaramilan’ny RTS ilay hita faty

Fantatra ankehitriny fa miaramila miasa eo anivon’ny toby RTS ilay hita faty tao anaty rano tetsy Alakamisy-Fenoarivo. Rabenarivo Tahina no anarany  ary nivoaka tamin’ny andiany faha- 13 teo anivon’ny sekoly fianarana ho manamboninahitra lefitra izy. Raha ny fanazavana azo dia ny zoma lasa teo izy no nisy nahita farany, avy niasa alina ny alakamisy. Loharanom-baovao hafa indray no nahafantarana fa nisy olon-kafa niaraka taminy teny amin’iny faritr’Itaosy iny. Potika tanteraka ny tarehiny ary tsy nisy namantarana azy intsony ny talata lasa teo. Hatreto, raha ny fijerin’ny manam-pahaizana ny raharaha, dia novonoina ary natsipy tao anatin’ilay rano ity miaramila ity. Marika manokana teo amin’ny feny sy ny hohony sisa no namantaran’ny vadiny azy. Raha tsiahivina dia ny talata teo izy no hita faty tao amin’ny reniranon’Andromba. Olona sendra nandalo no nahita azy natsingevan’ny rano ary nifono “sachet” ny lohany. Nampandrenesina ny tomponandraikitry ny tanàna izay niantso ny mpitandro ny filaminana nony avy eo. Tee-shirt roa sosona ny nanaovany ka ny iray dia misy ny mariky ny tafika Malagasy. Nosokafana ny fanadihadiana izay noraisin’ny zandary raha araka ny fantatra.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication