Amparafaravola : Lehilahy nanolana sady nanindrona antsy zaza kely



Jacaranda

Ny alarobia hariva teo, niditra an-keriny tao amin’ny tranon’olona iray tany Vohimena Amparafaravola ny lehilahy lehibe efa raim-pianakaviana iray. Avy hatrany dia natolominy ilay renim-pianakaviana tao ary nokasainy haolana. Tsy nahavita na inona na inona anefa izy satria afaka nandositra nivoaka ny trano ilay vehivavy. Tezitra tamin’izany ny anao lahy ka zaza kely vao 9 volana natory teo am-pandriana no nanalany ny fony. Notsatohany antsy ilay zaza ka voa teo amin’ny kibony. Mba tsy lasa lalina aloha ilay lelan’antsy ka tsy nahafaty an’ity zaza ity. Efa nentina haingana tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ambatondrazaka izy amin’izao fotoana izao. Ilay lehilahy kosa, raha voa namely antsy dia lasa nandositra ary tsy mbola hita ny toerana niafenany. Fantatry ny olona eo an-tanana tsara izy io. Karohin’ny mpitandro filaminana izy amin’izao fotoana izao.

Janus

Share This Post