Ampasampito : Fatin-jaza natao tao anaty « sachet »

Nitangorona ny olona omaly raha nahita fatin-jaza kely tokony ho eo amin’ny enim-bolana eo, natao tao anaty sachet ary nariana tsy lavitra ny faniaram-pako iray teny Ampasampito. Rehefa nojerena tsara ilay izy dia nahamarika ny rehetra fa nofonosina lamba. Ny vaovoa voaray no nahalalana fa tsy nisy nahita izay olona nametraka io razana kely io teny an-toerana. Ankevitry ny efa tamin’ny alina no nanaovana izany. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Efa fotoana elaela ihany izay no tsy nisy toe-javatra sahala amin’izao intsony tety amin’ny renivohitra sy ny manodidina. Miseho lany indray izy amin’izao fotoana izao.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication