Betafo : Zazavavy 12 taona naolan’ny raikeliny

Zaza vavy kely vao 12 taona monja  no niharan’ny fanolanana tao Fenoarivo Soavina, distrikan’i Betafo, ny 9 martsa lasa teo. Tsy iza akory ny nahavanon-doza fa ny raikeliny ihany. Tamin’io alahady 9 martsa io, rehefa avy nivavaka ilay ramatoa sy ny zanany dia nandeha nanasa lamba. Nirahin’ny reniny ilay zanany avy eo hanatitra sakafon’ilay  raikeliny, niandry omby tany an-tsaha mantsy ity farany raha ny fanazavana. Voalaza fa tsy nikilaoty ilay zazavavy kely nandeha nanatitra  sakafo, fanaon’ny ankizy any ambanivohitra rahateo moa izany rehefa manasa lamba eny amoron-drano eny. Tsikaritr’ilay raikeliny fa tsy mikilaoty ity zana-badiny ka nanaitra ny filan-dratsiny, izy rahateo irery  tany an’ala. Nolangolangoiny ity voatavo tsy mifandraka, nasainy nidaboka tamin’ny tany ka nanaovany ny filan-dratsiny. Tsy nanohitra mihitsy moa ilay zaza raha ny fantatra fa tsy dia nahafantatra loatra ny zavatra tiany hatao ka nanaraka izay nolazainy fotsiny ihany. Notantarain’ilay zaza tany amin’ny reniny ny nataon-draikeliny avy eo. Nentina tany amin’ny hopitaly ilay zaza nanao fitiliana ka hita fa tena simba tokoa. Saika tsy hitory ilay rangahy  mihitsy ilay ramatoa vadiny fa  tambajotra mpiaro ny zon’ny ankizy tao Soavina no nitondra ny raharahara tao amin’ny koaminina. Noraisin’ny polisy avy eo ny raharaha ka tonga tany an-toerana ny borigady nanao ny fanadihadihana. Niaiky ny heloka vitany moa ilay raim-pianakaviana ary natolotra ny fitsarana teto Antsirabe omaly alakamisy. Nanentana ny mponina ao amin’ny faritra iadidiany ny kaomisera Seraly Hercule ny tsy tokony hanaovana raharaham-pianakaviana ny resaka fanolonana, indrindra fa ny latsaky ny 13 taona toy izao, fa hitondra ny raharahara eo anivon’ny mpitandro filaminana.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication