Toliara : Raikitra ny fifampitifirana, dahalo iray maty

Nitrangana halatra omby indray tany amin’ny distrikan’i Toliara II, faritra Atsimo Andrefana, ny talata teo. Dahalo miisa 22, nitondra basim-borona ny 19, no nangalatra omby miisa 150 tao Ankilimbohitra. Tsy afa-nanohitra ireo tompon’omby satria nisetrasetra tamin’ny fitaovam-piadiana teny an-tanany ireo malaso ka naleon’ny fokonolona nifitsaka. Lasa ireo andian-dahalo vao nanao ny fanaraha-dia ny zandary. Tao Antanimiera no raikitra ny fifandonana sy fifampitifirana. Vokany, dahalo iray maty, iray voatifitra teo amin’ny feny, olona iray hafa naratra mafy. Tafaverina kosa ny omby, hoy ny loharanom-baovao.

Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication