Ambodinisotry : Lehilahy iray nahatratrarana PA sy bala enina

Nampiahiahy ny mponina ny fihetsik’ity lehilahy iray, ka nampandre ny polisy izy ireo. Ny harivan’ny alarobia12 martsa teo tamin’ny 6 ora hariva, nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny BC 6 ny lehilahy iray antsoina hoe Ra-Jim. Teny Ambodinisotry no natao izany fisamborana izany. Tratra tany amin’ity olona ity ny basy PA mahery vaika iray miaraka amin’ny “boïte à chargeur” sy bala 9m/m miisa enina ary sarontava mainty iray. Rehefa nohadihadiana izy dia nilaza fa azy ireo fitaovam-piadiana ireo. Etsy an-danin’izany, niaiky koa ilay lehilahy fa fitondrany manao fanafihana ity basy ity, araka ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana. Any Toamasina sy eto Antananarivo no tena fanaovany izany. Tsy nety nilaza izay zavatra efa nataony kosa anefa izy. Ny loharanom-baovao ihany no hilazana fa tsy dia nanahirana ireo mpitandro filaminana ny fisamborana an’ity olona ity. Talohan’izao mantsy, nahazo vaovao ny polisy fa misy olona manana basy mampiahiahy ny fihetsiny nijorojoro teny an-toerana. Nidina teny ry zareo ary natao ny velam-pandrika. Ary dia izao tratra izao ilay lehilahy 43 taona, raim-pianakaviana mipetraka eto an-drenivohitra. Omaly maraina no natolotra ny fitsarana ity olona ity.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication