Ampandrana : Narian’ilay vehivavy ny zanany 3 volana

Omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora, notanterahin’ity vehivavy iray 17 taona ny zavatra nolazainy. Nariany teo amoron-dàlana ny zanany kely vao 3 volana monja. Avy hatrany dia nitangorona ny mponina nahafantatra ny zavanisy. Rehefa nototofana fanontaniana ity vehivavy ity dia nilaza fa tsy velony io zaza io. Ny nahavariana ny maro dia izany fahasahiana hanary zanaka izany. Ny vaovao teny an-toerana no nahalalana fa nisy nahare ny resaka tao an-tranon-dry zareo, niady ary nilaza fa tsy mahavita hamelona ilay zaza ramatoa. Narahan’ny olona izay nelehany ary dia nariany tokoa ilya zanany. Vory marobe ny mponina ary samy nanameloka azy. Nandray ny andraikiny ny avy ao amin’ny fokontany.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication