Ambovombe Androy : Dahalo nanafika niveri-maina

Ny 19 martsa teo, vao mangiran-dratsy, no niakatra tanàna ireto dahalo miisa 16 izay nitondra basim-borona,  tao amin’ny fokontany Ampanisa. Tsy nisalasala ireto malaso fa tonga dia nanatona vala ka namoaka ireto biby fiompy toy ny omby sy ondry ary osy.

Lasa tamin’izany ny omby miisa 49 sy ondry ary osy miisa 270 ary nirifatra nitsoaka avy hatrany ireto olon-dratsy. hafa kely moa ny fomba nataon’ireto dahalo fa dia nangalany takalon’aina roa ny olona tao an-tanàna hanaraka azy. Tsy nanaiky lembenana anefa ny fokonolona fa avy hatrany dia niantso zandary ka dia nanara-dia ireto malaso. Tsy lasa lavitra akory ireto mpandromba dia raikitra ny fifampitifirana ka dahalo roa no maty voatifitry ny basy tamin’izany, tsy nahatohitra intsony ireto 14 ambony ka lasa nitsoaka tanam-polo.

Tafaverina tamin’ny tompony daholo moa ireo omby sy ondry ary osy ireo ary niverina teo anivon’ny fianakaviany ihany koa  ireo olona roa saika hataon’izy ireo takalon’aina.

ALEM

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication