Amboasary Atsimo : Olona dimy maty tapa-doha

Mahazo vahana any amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo, faritra Anosy, amin’izao ny fanafihan-dahalo arahina fanapahana tenda. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, olona dimy no maty voatapa-bozona. Tranga niseho farany, ny alakamisy teo, lehilahy iray 35 taona no maty nihosin-dra tapa-doha. Tovolahy voalaza fa nangalatra tratran’ny tompon’entana no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ary niala hatramin’ny lohany mihitsy. Efa notaterina teto amin’ny gazety fa zazavavy roa no notapahin’ny dahalo vozona tamina tokantrano iray tao Morafeno notafihan’izy ireo, ny 16 martsa lasa teo. Ary maty notapahim-bozona fahadimy, rangahy notafihin’ny jiolahy. Manoloana izao tranga mampihoron-koditra sy habibiana mamoehatra niseho tato ho ato, aty amin’ity distrika zohin-dRemenabala ity izao, dia mandry andriranantsy ary tsy mifampatoky intsony ny olona. Vahaolana hitan’ny tompon’andraikitra aloha hatreto amin’ny ady amin’ny firongatry ny asa ratsy, ny fametrahana ny « couvre feu » na ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina.
Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication