Antsirabe : Olona iray voatifitry ny dahalo

Nisehoana halatra omby tany amin’ny tanàna iray tsy lavitra an’Ibity, any Antsirabe II, tamin’ny alakamisy lasa teo. Dahalo miisa hatrany amin’ny 7 nitondra basim-borona no tonga nangalatra. Lasa tamin’izany ny omby telo. Nampandrenesina ny zandary ka raikitra ny fanarahan-dia niarahan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Raiktra teny an-dalana ny fifampitifirana ka fokonolona iray no voa teo amin’ny feny. Tsy maintsy nentina haingana any amin’ny hopitlay Antsireba izy nanaraka fitsaboana. Tafaporitsaka kosa ireo mpangalatra. Navelany ny omby ary efa tafaverina amin’ny tompony.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication