Faratsiho : Mpanangom-bokatra voatafika, lasa ny 20 tapitrisa Ar

Manana mpanome vaovao azy ireo mpandroba matoa mahalala ny fisian’ny volabe any amin’ny trano angalarany. Ny alin’ny zoma tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany tany ho any, trano roa no fantatra fa notafihan’ny jiolahy nirongo basy tany amin’ny tanàna antsoina hoe Faravohitra, any amin’ny disitirikan’i Faratsiho. Vokany: lasa tamin’izany ny vola mahatratra hatrany amin’ny 20 tapitriasa Ariary. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tonga dia nidiran’ireo olon-dratsy ankeriny ireo trano ireo. Samy mbola teo amin’ny fotoana nisakafoana ny rehetra, taitra ary tsy nisy nahetsika nahita ireo mpandroba nanambana basy. Araka ny vaovao dia basy lava no teny amin’ireo mpangalatra ireo. Tsy fantatra moa ny isan’izany fitaovana izany, sahala amin’izany koa ny isan’ireo jiolahy, voalaza fa maromaro fotsiny. Ny olona koa nentin-tahotra ka tsy nahavita nanisa tamin’ny fotoanan’ny fanafihana. Samy mpanangom-bokatra ireo olona roa voatafika ireo. Tao amin’ny trano voalohany no nahazoan’ireo bandy vola 15 tapitrisa ariary. Raha vao azony izany dia nifindra tao amin’ilay trano faharoa indray izy ireo. Lasa ihany no ny vola 5 tapitrisa ariary. Raha vao nahazo izany ireo jiolahy dia lasa nandeha niala ny toerana. Taorin’izany vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo niharan’ny fanafihana.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication