Ambatofinandrahana : Dahalo efatra matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fanafihan-dahalo nahaverezana omby indray tao amin’ny fokontany Sahavatoana distrikan’ Ambatofinandrahana, ny alakamisy maraina teo, tamin’ny sivy ora. Dahalo 20 lahy nampiasa basy mahery vaika « Mas-36 » iray sy basy vita gasy ary basim-borona no nandravarava tao an-tanànan’i Antsahamiady, ka lasa tamin’izany ny omby iray vala. Na dia nihetraketraka ireo malaso dia tsy nanaiky lembenana ny fokonolona leom-boan’anana’ny halatra omby fa nandray andraikitra nifamory avy hatrany. Vatan-dehilahy 200 mahery vonona ny hiady nanao ny fanarahan-dia.

Tao anatin’ny iray andro, raikitra ny fifanenjehana sy fifandonana tamin’ireo dahalo. Vokany, dahalo efatra matin’ny fokonolona. Ny enina tamin’ireo jiolahy afa-nandositra ary tafaverina avokoa ny omby very rehetra. Nomarihan’ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa tao anatin’ny tapa-bolana, in-telo notafihan’ny dahalo ity fokontany ity, ary manaraka ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ireo olon-dratsy, ka raha milamina ny tany dia mangina izy ireny, raha mifanohitra amin’izany dia manararaotra mangalatra izy ireo.

Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication