Maevantanana : Omby romotra miisa dimy nanakorontana

Nisahotaka ny olona, ny tanàna iray teo amin’ny manodidina an’i Maevantanana,  vokatry ny fanakorontanan’ny biby fiompy. Omby dimy izay nolazain’ny olona fa romotra vokatry ny fihetsiny izay tsy azo nofolahina mihitsy, no nahatonga an’izany. Natao izay rehetra nisamborana ireo biby ireo. Nifanome tànana tamin’izany na ny olon-tsotra na ny mpitandro ny filaminana. Raha ny vaovao azo tamin’ny manam-pahefana dia voatery nosarahina tamin’ny namany aloha ireo biby (mis en quarantaine) ary natao ny fitiliana azy ireo. Inona ny nahatonga ireo omby ho romotra ? Mandeha ihany koa ny fanadihadian’ny manam-pahaizana any an-toerana. Ny tena atahorana mantsy dia sao mba areti-mifindra ho an’ny biby izy io ka sanatria hitera-doza ho an’ny omby hafa. Ny omby izay fantatra fa isan’ny maro amin’izy ireny iny faritra iny ary koa manana lanjany ara-kolontsaina ho an’ny olona any an-toerana…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication