Ambatobe : M.D ilay mpamily nahafaty tovovavy



Jacaranda

Omaly no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay teratany karàna nahafaty olona tetsy Ambatobe, ny asabotsy lasa teo. Nofaohiny vao maraina tamin’ny fiara nentiny ilay tovovavy ary maty tsy tsa-drano. Nijanona teo amin’ny “vitesse” fahefatra ny fiara. Raha ny vaovao azo dia  miasa eo anivon’ny orinasa iray etsy Ankorondrano izy. Nandeha be ny feo fa nalefa nitsoaka any La Réunion ilay karàna. Tsaho avokoa izany rehetra izany raha araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty. Izy ireo mihitsy mantsy no nanatitra teny Antanimora, raha araka ny filazany.

D.R.

Share This Post