Kidnapping : Navotsotra ilay karàna



Jacaranda

Ny alin’ny talata teo no navotsotr’ireo mpaka an-keriny ilay karàna nisy naka an-keriny tetsy Ivandry. Tsy mbola fantatra ny vola nalain’izy ireo satria tsy nisy fitoriana nipetraka teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Notazomin’ny fianakaviana ho tsiambaratelo ho azy ireo izany ny momba iny fakàna an-keriny iny, toe-javatra izay mahazatra ihany. Ny antony dia rahonan’ny jiolahy mafy izy ireo ny hamonoany ny havany raha toa ka mampandre ny mpitandro ny filaminana. Izany anefa dia lasa mainka koa mampirongatra ity karazana heloka bevava ity. Telo andro izany no nitazoman’ny mpaka an-keriny an’ity karàna, izay rahalahin’ny lehiben’ny vondrona karàna iray faran’izay matanjaka, ity. Tsy nisy resaka toy ny mahazatra ny manodidina ity tranga ity. Notazomin’ny karàna ho tsiambaratelo ho azy ireo…

D.R.

Share This Post