Mandoto : Efa amperinasa ny « hélicoptère » mpamono valala



Jacaranda

Herinandro izay no nahatongavan’ny andiam-balala tao amin’ny distrikan’i Mandoto. Marihana fa valala avy ao Miandrivazo, faritra Menabe, ireo. Tsy mbola nisy fiantraikany tamin’ny volin’ny tantsaha aloha hatreto ny fisian’ireo andiam-balala ireo, ary tsy mbola naharay fitarainana ny lehiben’ny  distrika raha ny resaka nifanaovana taminy. Toerana dimy ao Mandoto no ipetrahan’ireo andiam-balala ka faritra iray no tena voalaza fa rakotra satria mahatratra hatramin’ny 300 Ha. Taorian’ny tatitra nalefan’ny faritra Vakinankaratra tany amin’ny FAO mikasika ity andiam-balala ity dia tsy nitsahatra niresaka sy niantso an-tarobia tamin’ny tompon’andraikitra ihany koa ny solombavambahoaka Nantenaina Andriambovonjy, voafidy tany an-toerana, raha ny fantatra. Nanomboka ny asabotsy lasa teo mantsy no efa tonga tany ifotony ny C.N.A misahana ny famonom-balala vatsian’ny FAO vola  miaraka amin’ny «hélicoptère » iray mandraraka fanafody. Mahery vaika ny fanafody ampiasaina ka  mety hitondra loza ho an’ny fahasalamana izany, manomboka izao dia tsy azo atao intsony ny mihinana valala sy mivarotra izany mandritra ny herinandro, hoy ny lehiben’ny distrika. Tsy azo alaina ihany koa ny voly eny an-tsaha, indrindra fa ny anana, mandritra io herinandro io, noho ny herin’ny fanafody, fa mampidi-doza. Nisaotra sy nidera manokana ny vahoaka nampandre ny zava nisy ny depiote voafidy tao Mandoto tonga tany ifotony njiery ny zava mitranga ary nankasitraka ny FAO izay mpamatsy vola ity ady amin’ny valala ity. Mba hifehezana ireo andiam-balala avy amin’ny distrika mifanila dia fantatra fa efa misy ihany koa ny fifampiresahana sy fifanakalozana amin’ireo tompon’andraikitra mba tsy hiparitahan’ny andiam-balala.

Andry N.

Share This Post