Miandrivazo : Saika matin’ny fitsaram-bahoaka, mpianatry ny CEG nangalatra omby



Jacaranda

Goragora ve fanabeazana sy ny rafi-piarahamonina amin’izao, fa hatramin’ny mpianatra eny amin’ny CEG dia mangalatra omby, toy ny tranga tany Miandrivazo ny zoma lasa teo. Roa lahy no tra-tehaky ny fokonolona nangalatra omby niraoka ahitra teny an-tsaha, izay lehilahy 21 taona ny iray niaraka tamin’ity tovolahy mpianatra taona fahatelo ity. Romotra noho ny firongatry ny asa ratsy ny mponina teo an-tanàna, ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo mpangalatra. Iry voalohany maty notapahin-tanana. Saika namoy ny ainy vokatry ny daroka ihany koa ilay mpianatry ny CEG, raha tsy nalaky tonga ny mpitandro filaminana nanakana ireo fokonolona efa nentin-katezerana, raha ny tatitry ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Manitrisa

Share This Post