“Perception” Analamahitsy : Jiolahy iray hafa tratra niaraka tamin’ny basy



Jacaranda

Saron’ny pôlisin’ny BC i Rolland, isan’ireo jiolahy nanafika ny “perception principale” etsy Analamahitsy. Mbola niaraka tamin’ny basy P.A sy bala miisa 14 io olon-dratsy io, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava, ny Komisera Rakotondrasoa Jean de Matha. Io farany ihany no nanazava fa mbola misy jiolahy roa hafa karohina amin’izao fotoana. Ramiaramila sy Rabokona no anaran-jiolahin’izy ireo. “Efa eo am-panaovana ny fikarohana azy ireo tanteraka izahay amin’izao”, hoy ny Komisera Jean de Matha. ” I Rolland no nanome vaovao mahakasika an’ireo jiolahy roa ireo. Isan’ny nisongadina ihany koa omaly tamin’ny fihaonan’ny BC tamin’ny mpanao gazety fa tsy jiolahy velively ilay iray sisam-paty tetsy Analamahitsy. Mpiambina teo amin’ny manodidina izy. Sendra teo amin’ny toerana nafana fotsiny izy tamin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana. Rehefa natao ny fanadihadiana rehetra dia hita fa tsy nisy nifandraisany tamin’ilay andian’olon-dratsy mihitsy izy. Efa navotsotra ankehitriny. Raha ny voamarika omaly dia vola mitentina 670 tapitrisa Ariary no efa tafaverina ao amin’ny biraon’ny hetra ary 620 tapitrisa Ariary kosa no mbola nanjavona. Efa fantatra ankehitriny fa teny amin’ny complexe eny Ampefiloha no nanomanana ny fanafihana, ny antoandron’ny raharaha. Voamarina koa fa fito ny isan’ireo nanafika fa tsy roa araka ny filazan’ny olona. Ny roa sisa no karohina satria ny telo lavo, ny iray ilay voasambotra farany teo ary ny faniampitony, ramatoa iray izay efa notanana am-ponja eny Antanimora ankehitriny.

D.R

Share This Post