Ambatondrazaka : Fiara 4X4 nahafaty olona, nopotehan’ny vahoaka



Jacaranda

Zavatra tsy heverina ho inona amin’izao fotoana izao dia mampirehitra ny hatezeran’ny olona. Tsy hay tohaina izany rehefa mitraotra

Ny sabotsy hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, fiara 4X4 iray no nandona mpandeha an-tongotra roa naira-dalana teny Ambohimarina Ambatondrazaka. Mafy ny dona, hoy ireo izay nahita. Vokany, maty teo no ho eo ny iray tamin’ireo voadona. Ny faharoa kosa naratra mafy ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tsy dia nandeha mafy akory ilay fiara. Na izany aza, tena tery ny lalana ary samy manao izay saim-pantany na ny mpamily na ny mpandeha amin’ny sisin-dalana. Nitangorona avy hatrany ny mpandalo maro. Ora fodian’ny olona rahateo no nisehoan’ny loza. Tezitra ny ankamaroany. Niakatra ny feo ary dia nirohotra ny rehetra nanapotika ilay fiara tsara tarehy. Tsy nisy azo noraisiny ilay izy ary tafavadika ambony ambany.

Amin’izao fotoana izao, zavatra tsy misy toy inona akory indraindray dia mampirongatra ny hatezeran’ny olona. Samy kizitina amin’ny hasarotan’ny fiainana ny rehetra ka zarany aza misy amatrarana izany tsy fahafaliany izany. Amin’ny faritra maro ankehitriny no andrenesana fitsaram-bahoaka amoizana ain’olona. Vao afak’omaly no nanaperan’ny olona ny ain’ilay lehilahy namono sy nitetika ary nandevina ny vadiny, tany Toamasina.

r.s.

Share This Post