Toliara : Vehivavy tratram-badiny niray tamina tovolahy, matin’ny daroka



Jacaranda

Ny alin’ny sabotsy lasa teo, tao Andakoro Toliara, tratran’ny vadiny niray teo am-pandriana tamina tovolahy iray 20 taona ity ramatoa 26 taona.Teo am-pandriana mihitsy izy ireo no sarona ka tsy afaka nihetsika intsony. Tsy nisy ny fanazavana fa tonga dia nodarohan-drangahy tompom-bady nentin-katezerana tamin’ny hazo hidim-baravarana ilay bandy bôgôsy mpangala-badin’olona, ka naratra mafy vaky loha. Matin’ny vono sy daroka ihany koa ramatoa mpanitsakitsa-bady. Folaka hatramin’ny tanany. Mpamily no asan’ity lehilahy tompom-bady ity ary samy manana lakilé hidin’ny trano izy mivady. Nody tampoka tany an-tranony ilay raim-pianakaviana fa nisy fahasimbana teny an-dalana ny fiara nentiny. Rafotsy nanala azy niaraka tamin’ny jombilony novantaniny tao.

Manitrisa

Share This Post