Antsirabe : Jiolahy 3 lahy saron’ny polisy



Jacaranda

Jiolahy telo lahy indray no saron’ny polisim-pirenena teto Antsirabe ny 5 aprily lasa teo. Volaza fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izy telo lahy ireto anisan’ireo nampihorohoro ny mponina teny Andrefatsena, Atsinanantsena ary Ambohimena, saingy tsy tratra niaraka taminy kosa ireo fitaovam-piadiana fampiasany. Entana maro be toy ny fahitalavitra, bisikileta, solovolo sy fanamiana miaramila sns … no sarona niaraka taminy. Fantatra araka ny fanadihadihana sy fanampim-baovao avy tamin’ny polisy fa mbola misy namany karohina amin’izao fotoana mitazona ireo fitaovam-piadina mahery vaika ireo, toy ny basy.  “Barre à pince” sy sabatra no fitaovana tratra niaraka tamin’ireo jiolahy. Nambaran’ireo jiolahy, raha ny fanazavana nomen’i kaomisera Talily Tamy miandraikitra ny faritra Vakinankaratra, fa tompon’andraikitra tamina fanafihana intelo misesy tamin’ireo fanafihana indimy niseho teto Antsirabe hatramin’ny voalohan’ny volana martsa ireto voasambotra ireto. Nambaran’ireo voasambotra hatrany  fa fantany ireo andian-jiolahy hafa nanao ireo fanafihana tsy nandraisany anjara ka efa eo andalam-pikarohana azy ny polisy amin’izao fotoana.

Natolotra ny fitsarana ny alatsinainy 7 aprily izy telo lahy voasambotra ireto

Andry N.

Share This Post