Ambatofinandrahana : Mpamboly iray matin’ny andiam-balala



Jacaranda

Raim-pianakaviana iray tantsaha mpamboly any amin’ny kaominina Mandrosonoro, distrikan’Ambatofinandrahana no maty tampoka niakarapoka ny 7 aprily teo. Ripaky ny andiam-balala ny voliny rehetra. Teo am-pandroahana ireo andiam-balala no sempotra tampoka tsy afa-niaina noho ny hakiviana ity rangahy ity, dia niakarapoka tampoka ary maty tsy tra-drano. Kaominina maro any Ambatofinandrahana no rakotra valala amin’izao fotoanan’ny fiakaran’ny vary sy ny vokatra amin’izao.

Noho izany, atahorana mafy ny hisian’ny mosary amin’ity taona ity any amin’ity distrika sompitry ny vary any amin’ny faritra Amoron’i Mania sy ny manodidina ity, hoy ny fampitam-baovao. Ny ao amin’ny distrikan’i Beroroha, faritra Atsimo Andrefana, 85%-n’ny voly vary sy katsaka lanin’ny valala. Hatramin’izao, hoy ny loharanom-baovao, mbola tsy tonga any an-toerana ny mpamono valala telo volana tsy nahazo karama.

Manitrisa

Share This Post