Ambohimalaza : Fasana roa nisy namaky, razana maro tsy hita



Jacaranda

Fasana roa indray no fantatra fa vaky teny amin’ny faritra Ambohimalaza. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa ny iray eny atsimon’ny tanana ary ny faharoa eny Masombahiny. Ilay voalohany, tamin’ny alatsinainy teo no nahafantaran’ny tompony azy fa visy namaky. Tamin’io fotoana io, nisy fandevenana saika hatao. Rehefa nojerena, nikorontana ny tao anaty fasana tao ary fantatra fa taolan-dava ana razana 18 no tsy tao intsony. Ny fasana faharoa nisy nandroba dia omaly alarobia no hitan’ny tompony fa nisy namoha. Tonga nanadio ny tokotanim-pasana ny fianakaviana fa handevina. Nahatsikaritra ireo fa efa nisy namoha ny varavarana. Rehefa nojerena akaiky, tapitra nikorontana ny razana tao anatiny. Tsy mbola voafaritra mazava kosa ny isan’ny razana very. Saika handevenana ilay olona maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalana By pass ity fasana ity. Voalazan’ny vaovao fa efa nandraman’ireo olon-dratsy ihany koa ny fasana iray nifanakaiky tamin’ilay saika handevenana. Samy tsy fantatra hatramin’izao ny fotoana nahavaky ireo fasana roa ireo.

Nangonin’I r.s.

Share This Post