Distrikan’i Mampikony : Ben’ny tanàna voarohirohy amin’ny vono olona



Jacaranda

Ny alahady lasa teo no napetraka ny fitoriana azy. Raha araka ny fantatra dia notorian’ny fianakavian’ny maty izy ho niray petsapetsa tamin’ny ratra sy vono izay niteraka ny fahafatesan’ny lehilahy iray ity Ben’ny tanàna ity. Ny 03 martsa teo dia nisy niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano. Nodarohan’ireo ilay lehilahy. Ny mamany kosa mba nahavita niafina ka tsy hitan’ireo olon-dratsy. Io anefa dia nilaza fa naheno sy nahita ireo namono an-janany. Nentina teny amin’ny hopitaly ny naratra ka roa andro taorian’izay dia namoy ny ainy. Teo, raha araka ny fanazavan’ny fianakaviany, dia mbola zavatra hafa koa no niseho : tsy nisy nety nanamarina ny fahafatesan’ilay lehilahy ny mpitsabo. Ny anton’izany dia noho ny tahotra ilay Ben’ny tanàna hoy ihany izy ireo manazava. Mbola nahatalanjona ny fianakavian’ny maty hatrany ny valin’ny “autopsie” izay nilaza fa hanoanana no nahafaty ilay lehilahy. Nefa dia feno dian-dratra ny razana ary nalain’izy ireo sary rahateo izany mba ho porofo eny amin’ny fitsarana. Efa nandeha ny fihainoana ireo olona nahiahiana ary mety handrasana ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny fampanoavana. Misintona ny sain’ny manampahefana ny fianakaviana mba hijery akaiky ny raharaha.

D.R

Share This Post