Tovovavy may : Tsy nahomby ny ody may, maty tao amin’ny hopitaly



Jacaranda

Efa torovana ary efa maty ny taovany sasany noho ny fidiran’ny aretina vao nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Tovovavy 16 taona main’ny solitany ary tena voa mafy tokoa satria hatrany amin’ny tendany no midina no indray simban’ny afo. Nentina teny amin’ny mpanao ody may, toa ny fanaon’ny olona any ambanivohitra ihany, izy. Rehefa hita fa tsy nahomby izany vao nampiakarina taty an-drenivohitra ka naiditra hopitaly. Iray volana maninjitra no niezahana nanavotra ny ainy. Saingy efa niparitaka tamin’ny vatan-tenany ny aretina hany ka tsy tàna intsony ny ainy omaly. Nilaza ny mpitsabo fa efa tara loatra ny nitondràna ilay tovovavy tao amin’ny toeram-pitsaboana. Efa nihanaka tamin’ny vatany ny otrik’aretina maro ka tsy zakany intsony no tsy tàna intsony ihany koa ny fihombony. Entin’izy ireo ilazàna izany fa ny hopitaly no tokony hovonjena fa tsy ny mpanao ody may akory, rehefa misy ny tranga toa izao. Mizara ihany ny hevitra rehefa misy ny may. Maro mantsy ny olona no mitàna ny fanaony dia ny fomba nentim-paharazana izany. Isan’ny malaza ny Gasy amin’ny ody may ary mampitolagaga ny maro. Mipetraka ary ny fanontaniana hoe ilay nanao tamin’ity indray mitoraka ity ve no tsy mahay, na mpisandoka? Sa kosa efa be loatra ny fahavoazana tamin’ilay tovovavy? Mety hahaliana ny maro raha atao miady hevitra ny siantifika sy ny mpitsabo nentim-paharazana.

D.R

Share This Post