Sakaraha : Fiara mpitety tsena voatafika, olona roa maty



Jacaranda

Ny alakamisy teo tokony tamin’ny telo ora folakandro no nisehoan’ny fanafihana fiarakodia ity . Fiara « 404 baché » mpitety tsena irony no lasibatra tamin’izany. Nanao andiany roa ry zalahy ireto ,ka ilay andiany voalohany teo aloha no tratran’ny  fanafihana, tsy nisy resaka fa avy hatrany dia tifitra vary raraka no nitsena ireto fiara roa. Teo anelanelan’ny Beraketa sy Sakaraha no nisehon’ny fanakanana.

Avy hatrany dia maty tsy tra-drano ireo mpamily roa, nisy mpandeha telo ihany koa naratra ka nalefa haingana any amin’ny hopitalin’i Toliara mba hanaraka fitsaboana.Efa nandray  ny andraikiny ireo zandary any an-toerana ka nanao ny fanadihadiana sy ny famotorana amin’izay vola na entana very nandritra ny fanafihana.

ALEM

Share This Post