Andohatapenaka/Anosy : Nitsoaka ny mpamily rehefa nahafaty olona



Jacaranda

Tranga roa mitovy tanteraka, ankoatra ny toerana nisehoany no isan’ny nanamarika ny trangam-piaraha-monina tamin’ny faran’ny herinandro.

Na tetsy Andohatapenaka na tetsy Anosy dia samy nahafaty olona ny lozam-pifamoivoizana. Mbola nampitovy ireo tranga roa ireo ihany koa ny samy nitsoahan’ny mpamily niaraka tamin’ny fiarany rehefa niseho ny loza. Voalohany,  ny harivan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any,  no nisehoana lozam-piarakodia teny amin’ny faritra Andohatapenaka mihazo ny 67ha atsimo,  avy any Ampasika iny. Nofaohin’ny taxi-be mampitohy an’Antananarivo sy Itaosy ny tovolahy iray niampita. Nidaraboka mafy tamin’ny tany io farany, nandriaka ny rà ary maty tsy tra-drano ilay lehilahy voadona. Tsy nijanona ilay taxi-be fa rifatra avy hatrany. Mety ho natahotra ny fitsaram-bahoaka angamba io farany. Ny polisim-pirenena no nandray an-tànana ny raharaha ka nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany. Izany dia miompana amin’ny fikarohana ilay mpamily nahavanon-doza. Raha ny resaka teny an-toerana dia nisy naharay ny laharan’ilay fiara. Tranga faharoa izay mitovy tanteraka, tetsy Anosy ny alin’ny asabotsy teo. Nisy miaramila iray nofaohin’ny fiara ka maty tsy tsa-drano. Izy io raha araka ny fanampim-baovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia miandraikitra ny fiambenana ny haino aman-jerim-panjakana. Nitsoaka ihany koa ny mpamily rehefa nitranga ny loza. Tao anaty haizina ny tranga hany ka sarotra ny nahita ny laharan’ny fiara. Avy ao amin’ny toby Capsat ilay niharan-doza. Ireny “camionnette” kely ireny, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana hatrany no nandona dia nitsoaka. Marobe ny fanontaniana azo apetraka rehefa misy ny tranga toy izao. Matahotra fitsaram-bahoaka ve ny mpamily dia mitsoaka fandraisana andraikitra? Mba manana alàlana afaka mitondra fiara ve ireo olona mamily? Ahoana ny fiara entina, mbola tokony ho afaka hiasa ho amin’ny fifamoivoizana ve?

ALEM/D.R

Share This Post