Toliara : Tovolahy mamon-drongony nandidy tena tamin’ny antsy



Jacaranda

Hafakely ! Lehilahy iray sahabo ho 25 taona voalaza ho mamon-drongony no nahavita nandidy sy nandratra mafy ny tenany tamin’ny antsy, ny asabotsy hariva teo, tao Tsimenatse Toliara. Nihosin-dra tanteraka ny tenany vokatr’ity famonoan-tena hafahafa ity. Ny tanany havia tatatataka, ny teo amin’ny kibony feno dian’antsy. Raha tsy nisy nanakana ity tovolahy ity dia efa lasa tany amin’ny varin-tsy mipody indray. Araka ny loharanom-baovao dia isaky ny mamon-drongony ity bandy ity dia misetrasetra sy migafy eo an-tanàna foana. Tsy tantin’ny mpiara-monina aminy intsony ny fihetsiny mahery feno setrasetra ka niteny azy ny manodidina. Niakatra afo ny anao lahy dia nandeha naka antsy ary nandidy tena, mba hanehoany ny hatezerany hono.

Tsara homarihina fa mitombo isa hatrany ny tanora mandray zavamahadomelina mahavita zava-doza ao Toliara ao amin’izao. Miparitaka loatra ny rongony izay amidy toy ny anana eny an-tsena sy vatomamy amin’ny dokany, toy ny hita ao amin’ny fokontany Ampasikibo. Maso mahita ihany koa, hatreny amin’ny vavahadim-piangonana misy sahy mivarotra jàmala. Mila mandray andraikitra, fa sady potika ny tanorantsika no mirongatra ny asa ratsy isan-karazany.

Manitrisa

Share This Post