Fanafihana ny perception : Naterina omaly teny Tsiafahy ilay miaramila



Jacaranda

Olona telo izao no efa naiditra am-ponja vonjimaika mahakasika ny fanafihana teny Analahamintsy. Misy vehivavy ny iray amin’ireo.

Omaly no naterin’ny namany tao  amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava ny miaramila iray izay miasa eny Ivato, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ramiaramila. “Niaraka tamin’ny fianakaviany izy tao, asa raha te-hanao mampalahelo ka hanova ny firafitry ny fanadihadiana ny tanjony. Voatery nampodiana avokoa ireo olona nanatrika azy, izay vao natomboka ny fakàna am-bavany, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny BC.” Tsy naharitra ela fa adiny iray teo ny fanadihadiana azy dia avy hatrany, taorian’izay, dia nentina teny anivon’ny Fampanoavana. Ny harivariva, raha araka ny vaovao azo, dia naterina teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ilay miaramila. Firaisana tendro amin’ny jiolahy, famoronana vondron’olon-dratsy ary  fanafihana mitam-piadiana  : ireo telo ireo no vesatra izay nitarika ny fitazomana vonjimaika azy eny Tsiafahy. Maromaro ny dosie niandrasana an-dRamiaramila, raha ny fanazavana azo tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana. “Tsy ho ela izy dia havoaka eny Tsiafahy indray ary hohenoina amin’ny antony hafa, izay momba ny asan-jiolahy hatrany”, hoy ny vaovao azo teo anivon’ny pôlisy. Ny tena akaiky amin’izany, raha araka ny loharanom-baovao mitovy, dia ny mahakasika ilay fanafihana ny minisitry ny pôlisy taloha. Raha tsiahivina fohy tamin’io fotoana io dia nisy lehilahy iray voatifitry ny mpiambina ilay trano nisy ilay manam-pahefana taloha. Talohan’ny nahafatesany dia nanonona anarana iray izy, tsy iza fa Ramiaramila izany. Nanomboka teo ny fanafihan’ny mpanao fanadihadiana azy.  Efa notadiavina hatry ny ela saingy izao vao tena azo I Ramiaramila izay, ankoatra ny raharaha maro maha-voarohirohy azy dia mbola  heverina ho mpampanofa basy ihany koa izy.

D.R

Share This Post