Ambatondrazaka : Nisy nanafika ny “abattoir”, omby folo very



Jacaranda

Na dia eo ampovoan’ny tanàna aza no misy ny toerana famonoana omby eto amin’ny tanànan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao dia sahin’ireo dahalo ny nangalatra ireo omby misa 10 tao. Araka ny fanazavana voaray dia misy ireo omby saika hamidy ny ampitso , misy ireo omby vao tonga, ka samy nanjavona avokoa. Omby roa somary efa reraka ary marary tongotra no najanon’ireto jiolahy teny avaratry ny tanàna, fa ny ambiny kosa dia mbola tsy hita hatramin’izao. Mitebiteby ireo mpivarotra hena amin’izao fotoana izao satria efa sahy mananika ny tanàn-dehibe ireo jiolahy mpangalatra omby. Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny pitandrio ny filaminana amin’izao fotoana izao.

Janus R

Share This Post