Ambodivona : Fatin-dehilahy nahitàna ratra



Jacaranda

Nisy dian-dratra ny vatan’ilay lehilahy manodidina ny 30 taona teo. Nivoaka rà ihany koa ny orony, raha ny tsikaritra. Mampiahiahy araka izany ny fahafatesan’ity olona izay hita faty tetsy Ambodivona ity. Tonga teny an-toerana ny havany omaly nijery azy ary nanatitra teny amin’ny tranom-paty, toerana izay anatontosana ny taratasy ara-panjakana rehetra alohan’ny hahafahan’ny havany mitodnra azy eny amin’ny trano hiandrasana azy amin’izay. Tonga teny an-toerana ihany koa ny lefitry ny filoham-pokontany nijery ifotony ny zava-misy.

D.R

Share This Post