Arivonimamo : Fivarotana telo voaroba, lasan’ny jiolahy ny vola sy ny basy

Ny alakamisy hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora, fivarotana telo no fantatra fa norobain’ny jiolahy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nitondra basy mahery vaika toy ny kalaky miampy basim-borona ireto jiolahy ireto. Ankoatra izany, voamarik’ireo voaroba fa saika nitovy avokoa ny akanjo nanaovany, pataloa sahala ny an’ny mpitandro filaminana fitondra miady ary nikiraro “rangers”. Tany amin’ny tanana antsoina hoe Ambohitrambo any Arivonimamo no nisehoan’izany fanafihana izany. Teo am-piomanana hanidy tsena ireo mpivarotra ireo no tonga ny mpangalatra. Avy hatrany dia niditra tao amin’ny fivarotana voalohany ry zalahy. Nambanany basy ny tao ary tsy nisy sahy nihetsika. Lasany tamin’izany ny vola 1,5 tapitrisa ariary miampy entana maro. Rehefa izany, nifindra tao amina fivarotana hafa indray izy ireo. Sahala ny nataony tao amin’ny voalohany ihany. Tsy nisy nikofoka teo anoloan’ny basy , lasany ny vola rehetra ary nentiny koa ny basim-borona iray niaraka tamina bala ampolony. Rehefa nivoaka avy ao izy ireo dia voalaza fa nifanena tamina mpivarotra iray hafa izay efa avy nanidy ny tsenany ary handeha hody. Voaendaka ihany koa ity farany ity. Nalain’ireo olon-dratsy avokoa ny vola tany aminy, ny firavaka volamena ary ny telefônina. Tamin’ny harivan’ny fanafihana dia napoakan’izy ireo ny basy. Rehefa tonga ny zandary dia nahita tranona bala telo sy bala iray tsy mbola nipoaka. Nihorohoro ny mponina taorian’izany fandalovan’ny jiolahy izany. Somary lavidavitra ihany ilay toerana ka efa dila ny mpanafika vao tonga ny mpitandro filaminana. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication