Trafikana basy : Hiakatra Fampanoavana anio ireo voarohirohy

Araka ny vaovao voaray dia anio no hiatrika ny Fampanoavana eny amin’ny tiribonaly Anosy ilay ramatoa miaraka amin’ny vadiny sy ireo olona hafa voarohirohy tamina trafikana basy tratra tany Toamasina telo heriandro lasa izay. Marobe tokoa ny basy hita tamin’izay fotoana izay, niaraka tamina bala anarivony. Nandeha ny fanadihadiana ka fantatra fa misy zandary efa misotro ronono sy mbola am-perinasa tafiditra amin’ity raharaha ity. Ny vaovao hatrany no nahafahana milaza fa mbola misy olona hafa karohina. Efa fantatra kosa moa fa efa fanaoan’ilay ramatoa ity trafikana basy ity. ireo tratra dia voalaza fa saika halefa any amin’ny faritry Betroka.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication