Analakely : Roalahy voatsindrona antsy, maty ny iray

Teo ambany kibo ilany havia no nitsatoka ny antsy ho an’ny iray. Teo ambany kelin’ny tratrany havia kosa ho an’ny faharoa. Itsy voalohany dia lehilahy 35 taona raha 49 taona kosa ilay faharoa. Samy voatsindrona antsy izy ireo omaly vao maraim-be, tokony ho tamin’ny telo ora tany. Efa very rà be izy ireo no tonga teny amin’ny Hjra. Nezahina novonjena avy hatrany ny ain’ireo roalahy ary naiditra efitrano fandidiana aza ilay iray tena voa mafy. Natao izay rehetra azo natao tamin’ny famonjena azy, saingy tsy nahasakana ny ainy izany. Namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly ilay lehilahy 35 taona. Mbola manaraka fitsaboana ao kosa ilay iray faharoa rehefa avy nodidina omaly ihany. Raha ny fantatra dia ny fiaran’ny mpitandro filaminana no nanatitra azy roalahy tao amin’ny Hjra.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication