Mahamasina : Miandry ny fandraisana andraikitry ny fanjakana ireo niharam-boina

Tsy vitsy ireo velom-pimenomenomana, omaly, taorian’ilay voina nahazo olona maro teny an-toerana. Omaly no nalain’ny havany ireo razana roa maty tamin’ny fifanosehana teny Mahamasina tamin’ny harivan’ny faha-26 jona. Ny iray moa nentina teny Ankasina, ilay ankizy lahy, ary ny faharoa eny Ambohijafy Atsimondrano. Fantatra ihany koa fa eo amin’ny fito eo sisa ireo mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly, omaly ihany. Ny zavatra niombonan’izy ireo anefa, na ireo manana ny maty na ireo manaraka fitsaboana dia iray ihany, miandry ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana izy ireo. Araka ny voalazany mantsy dia tsy mbola misy izany amin’izao fotoana izao. Na ny marina   kokoa, tsy nisy ny nahazo fanampiana hatramin’ny omaly na dia nisy aza ny fampanantenana. Efa nisy ny fampaherezana nentin’ny tompon’andrikitra eto amin’ny renivohitra. Tsy izany angamba anefa no nandrasan’ireo niharam-boina fa ankeviny zavatra mihitsy. Etsy andaniny, ireo maratra no tena nimenomenona, hoy ihany ny vaovao nomen’izy ireo teny anivon’ny hopitaly, satria dia tsy nisy hono, ny fitsaboana raha tsy nisy vola naloa.

Raha vao niseho moa ny fahavoazana, tonga teny amin’ny hopitaly ny praiminisitra notronin’ny mpiara-miasa aminy. Hita teny koa ny PDS nankahery ireo rehetra niharan’ny fahavoazana.

Nangonin’i r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication