Toliary : Fanakanan-dalana 3 sosona

Fiara telo, ny alarobia sy ny talata lasa teo, tao Ankazoabo sy Mahaboboka ary Berenty, no tratran’ny fanakanan-dalana. Ny tao Ankazoabo moa teny amin’ny 200m dia efa tsinjon’ireo tao anaty fiara ny fitsivalanan’ny hazobe teo ampovoan-dalana ka nihemotra avy hatrany izy ireo niantso zandary hiaro azy ireo. Tontosa soa aman-tsara ny fandravana izany tamin’ny alalan’ny fifampitifirana ka nampitsoaka ireo dahalo. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny niseho tao Mahaboboka. Fa ny tao Berenty kosa no niavaka kely satria nisy tsy fetezana ny fiara ka voatery nijanona teo amoron-dalana. Teo no nohararaotin’ireo olon-dratsy notafihana ka lasa avokoa ny vola natao vatsy tany amin’ny mpamily. Marihina fa tsy nisy ny ratra sy ny aina nafoy nandritra ireto fikasana hanafika fiara eny an-dalana ireo. Tokony ho mailo hatrany ny mpitatitra sy ny mpampiasa ny lalam-pirenena satria efa manakaiky izao ny fialantsasatra ka betsaka tokoa ireo mpampiasa ny lalana, ary be dia be ireo olona mivezivezy amin’izany.

Alem

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication