67 HA Atsimo : Gidraka teo amin’ny polisy sy mpamily taxibe

Nitohana nandritra ny adiny iray latsaka kely, ny fifamoivoizana tetsy amin’ny 67 ha atsimo, “Arrêt 30” taloha, ny zoma tolakandro, ka niteraka fahasorenana sy fimenomenonana ho an’ireo mpamily sy ny mampiasa iny lalana ho any Itaosy sy 67 ha iny. Taxibe iray ho any Itaosy no namoa-tsampona indray io andro io, tokony ho tamin’ny roa ora latsaka fahefany. Nanala olona tsy tamin’ny “arrêt” ny mpamilin’ity fiara ity no sady nibahana teo afovoan-dalana, ka nosazian’ny polisy misahana ny fifamoivoizana. Tsy nasian’ilay saofera sira anefa ny mpitandro filaminana ary tsy nomeny ny “papier”-ny fiara no sady avo vava izy, fa henjana hono ny tompon’io fiara io, ka tsy azo atao n’inon’inona na dia tsy manara-dalàna aza.

Tsindry bokotra. Hany herin’ilay mpitandro filaminana nanindry fo, no sady naka ny lakilen’ny fiara. Saika raikitra ny gidraka raha tsy nalaky tonga ny polisy “motard” sy ny UIR avy etsy Tsaralalana nandamina ny raharaha sy nitondra ilay mpamily niseho nilay hita toa te-handrangitra ireo olona marobe taitaim-baombina amin’izao nitangorona nijery ny zavanisy. Lasa ihany ny sain’ny mpanara-baovao : “tsy vitan’ny mamono sy mandratra olona intsony ny mpamilin’ny taxibe amin’izao, fa sahy mamaly sy mandrahona ary mihantsy mpitandro filaminana amin’izao, fa manana olona ambony hono afaka miaro.

Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication