Ambatondrazaka : Ramatoa nisandoka ho mpiasan’ny fitsarana,nampidirina am-ponja

Niakatra teny anivon’ny Fampanoavana tamin’iny herinandro lasa teo iny ny ramatoa iray izay misandoka ho mpiasan’ny Fitsarana eto Ambatondrazaka. Mitety toerana sy tanàna maro aty Alaotra izy, ka indraindray dia milaza ho mpisolovava ary matetika dia milaza ho vadina mpitsara. Miezaka manatona ireo olona manana anton-draharaha eny amin’ny fitsarana izy, ka mitaky vola be ary milaza fa vitany ny mikarakara ny raharaha. Manaiky tokoa ireo olona sasany, satria izy rahateo toa hita mivezivezy ao amin’ny fitsarana hatrany, ka rehefa tsy mahomby ny raharaha vao mitaraina ireo voasoloky. Mitaraina araka izany ireo mpisolovava eo anivon’ny fitsarana fa toa saika mahazo vahana itony mpanera( rabatera ) itony indraindray ka mamitaka olona avy any ambanivolo. Efa nisy tany aloha hoy ireo mpisolovava ny fandraisana fanapahan-kevitra mahakasika an’izy ireo, ka maro no naiditra am-ponja. Amin’izao fotoana izao dia mitombo isa hatrany izy ireny hoy ireo mpisolovava ka tokony handraisana fanapahan-kevitra matotra fa betsaka ireo tsy manantsiny voafitaka.Fantatra fa miandahy miambavy izy ireo ary samy manana ny fahaiza-manaony amin’ny fisolokiana avokoa.

Janus R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication