Manjakaray : Tovolahy nandeha “bal” maty voatsatoka antsy

Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny niandohan’ny gidragidra. Omaly vao maraina be tokony ho tamin’ny 1 ora, nisehoana vono olona teny amin’ny faritry Manjakaray. Tovolahy iray 22 taona eo ho eo no maty tsy tra-drano nisy nanindrona antsy teo amin’ny tendany sy ny fony. Avy dia nijininika ny rà ary tsy nisy azo natao intsony namonjena ilay olona. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa, telo ry zareo no niaraka io alina io namonjy alim-pandihizana teny an-toerana. Voalaza fa toa nisy adiady kely tamin’izany. Tsy fantatra anefa aloha izay zavatra niseho taorian’izany fa dia izao niafara tamina fahafatesana izao. Ireo namany roalahy moa tsy nisy naninona, hoy hatrany ny vaovao. Toa fantam-patatra ihany ireo nahavanona ny loza, araka ny filazan’izy ireo. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Omaly alina ihany dia efa nalefa teny amin’ny trnaom-paty eny Ampefiloha ny razana.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication