Ampefiloha : Vehivavy voandeka teny ambony moto

Jacaranda

Tao anatin’ny minitra vitsy monja no nanaovan’ireo andian-jiolahy ny asa ratsiny teo Ampefiloha, ny harivan’ny faran’ny herinandro lasa teo.

Tovovavy kely iray niaraka tamin’ny namany nanao taingin-droa tamin’ny  moto no niharan’ny sinto-mahery teo anoloan’ny barrière teo Ampefiloha, tokony ho tamin’ny  6 ora hariva. Efa somary maizina ihany ny andro tamin’io, ao anatin’ny vanimpotoanan’ny ririna rahateo isika amin’izao ka vantany vao milentika ny masoandro dia maizina tanteraka ny andro. Ora nandalovan’ny lamasinina ihany koa tamin’io ka voatery tapaka ny lalàna, mijanona avokoa ny fiara. Tamin’io indrindra no tamy avy tany ny andiana jiolahy maromaro nanatona ilay  nitondra moto, ny sasany niadry teo anilany  miaraka amin’ny antsy, bandy kely, tsy mbola ampy taona raha ny fahitan’ny niharam-boana  no nisintona ilay poketra teny ambozony. Naratra mihitsy ny tendan’ilay tovovavy kely vokatr’ilay sintona mafy dia mafy. Tsy afa nanohitra rahateo ireto farany, izy rahateo tao anatin’ny fitohanan’ny fiara. Rehefa izany vaky nandositra ireo andian-jiolahy. Very tao anatin’io poketra io ny finday raitra miisa telo miampy vola sy antontan-taratasy toy ny karapanondro.

Andry N.

Share This Post