Kidnapping : Mbola tsy votsotra ilay maorisiana omaly

Tsy mbola navotsotor’ireo jiolahy mpaka an-keriny omaly ilay teratany maorisiana nalain’izy ireo ny harivan’ny alarobia teo. Tsy fantatra kosa na efa nisy antso tany ho any na tsia. Tsy nisy nety nanome vaovao manodidina an’izany rahateo ireo mpiara-miasa aminy etsy Tsaralalàna. Hatreto aloha izany dia ny fiarany 4X4 mitondra ny marika Hyundai aloha no hita. Teny Ambatobe no nanarian’ireo jiolahy an’izany ny ampitson’ny fakàna an-keriny ny tompony. Hatramin’ny ora nanoratanay farany omaly dia mbola tsy nahazoam-baovao ny momba ny nahazoany fahafahana. Raha tsiahivina dia ny alarobia teo, raha nivoaka ny fiasany ary efa teny ambony fiara, no tonga tampoka ireo olon-dratsy mpanao kidnapping ary naka azy. Manoloana an’izany rehetra izany dia tsy afaka mihetsika firy ihany koa ny mpitandro ny filaminana, satria sady tsy nisy ny taratasy fitarainana na fampandrenesana no matahotra ihany koa ny olona akaiky ireo maorisiana sao izany no hitarika ireo jiolahy hamono ny takalon’aina. Vokatr’izany dia miandry fotsiny izay baikon’ireo olon-dratsy matetika ny olona tratran’ny toa itony. Mazava raha lasa sesilany ny fakàna an-keriny eto amintsika, satria toa lasa manamora ny asan’ireo olon-dratsy izany rehetra izany…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication