Ambohimailala : Nivoaka ny marina, hoy ny BC

Jacaranda

Tsy nijanona tamin’izao akory ny fanadihadiana mahakasika ny vono olona teny Ambohimailala ny volana desambra 2013 teo, fa nizotra tany amin’ny fitadiavana porofo mivaingana kosa,h ahafahana mitazona ireo olona nahiahiana, raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava na BC. Olona efa am-polony no nivezivezy natao fanadihadiana tao Anosy, momba iny raharaha nahafatesana olona telo iny. Pôlisy ny iray tamin’ireo namoy ny ainy, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, raha hiverenena kely. Mpianatra eo anivon’ny Cntemad kosa ilay tovovavy faharoa izay hita faty. Ny fahatelo indray dia heverina ho naman’izy ireo. Feno ny porofo hoy ny lehiben’ny Service Central des Affaires Criminelles (SCAC), omaly. Niompana bebe kokoa tany amin’ny fanadihadiana ara-teknolojika izany vao tena tafavoaka ny porofo. Isan’izany ny fitadiavana ny hafatra nifandefasan’ireo olona izay voakasiky ny raharaha sy ny fifaneraseran’ireo tamin’ny tambajotra sosialy, indrindra ny facebook. Efa misy ny olona tazonina ka ny telo amin’ireo no tena misy ifandraisany mivantana tamin’ny famonoana, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny SCAC hatrany. Hanome fanazavana bebe kokoa momba ity raharaha izay nitana ny sain’ny maro ity izy ireo, izany hoe ny tompon’andraikitry ny fanadihadiana, ato ho ato. Fanindroany tamin’ny fahitana fatin’olona maromaro teny Ambohimailala tao anatin’ny roa taona. Nisy pôlisy hatrany tao anatin’ireo vatana mangatsiaka nariana teny an-toerana. Niompana tamin’ny fihainoana antso an-tariby, fijirihina “message” ary koa izay rehetra mety ho nandeha tamin’ny “facebook” ny fanadihadiana. Izany rehetra izany dia midika fa tsy tokony ho afa-miala intsony amin’ny teknolojia ny mpanao fanadihadiana moderna, raha tiana hisy toa izao ny vokatra. Tokony hiompana any amin’izany ny fanampiana sy ny fangatahana fanampiana…

D.R

Share This Post