Kidnapping : Manao antso avo ny fianakavian’i Owne Alek

Jacaranda
Maty sa velona i Alek? Ireo jiolahy ihany no mahafantatra an’izany…
Maty sa velona i Alek? Ireo jiolahy ihany no mahafantatra an’izany…

15 andro taorian’ny nakàna an-keriny an’i Owne Alek , teratany karàna monina ao Toamasina, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakaviany ary nanao antso avo ho an’izay mahafantatra azy, mba hitrotro am-bavaka ny raharaha. Tsy fantatra intsony mantsy na mbola velon’aina na tsia i Owne Alek, 25 taona, noho izy taizan’ny diabeta, ka mila tsindrona “insuline” matetika ao anatin’ny andro iray. Ny vola takalonaina anefa dia efa voaloa raha araka ny fanamarihana azo. Ny talata 24 jona teo tokony tamin’ny 06ora sy sasany tao an-tranony Ambohijafy Toamasina no nisy naka an-keriny ilay karàna . Ny harivan’ny asabotsy 28 jona, izany hoe efatra andro taorian’izay, no natao ny fandoavam-bola. Vola amina miliara raha araka ny fanazavana azo hatrany manodidina an’ity raharaha ity. Izany hoe natao avokoa izay sitrapon’ireo olon-dratsy. Saingy tsy nifanaraka tamin’izany ny vokatra, satria tsy mbola nivoaka hatreto i Owne Alek, raha araka ny nifanarahana dia tamin’io andro io no tokony namoahana azy. Tsy nanafina ny ahiahiany ireo fianakavian’ I Owne Alek fa mety efa maty io farany. Ny antony mazava ,dia noho ny aretiny izay mila fanafody matetika. Ny fianakaviany ihany no nanazava fa jiolahy dimy nirongo kalachnikov ary tao anatin’ny 4X4 no nanatontosa ny fakàna an-keriny. Hatraiza ny fandraisana andraikitry ny manampahefana manoloana ny tranga toa izao? Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny, satria raha ny tsikaritra dia raharaha kidnapping roa izao no nitranga, tany Toamasina sy Antananarivo, ary samy mbola tsy hita ireo olona nalaina. Tsy nisy ihany koa, raha ny fahafantarana azy, ny fanadihadiana mivantana nosokafan’ny manampahaizana. Ny antony dia satria tsy nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana ny havan’ireo olona ireo. Ny zavamisy anefa dia efa azo anokafana fanadihadiana, satria efa “saisine” hoazy. Raha tsy misy fandraisana an-tànana toa izay dia mazava hoazy fa mainka koa handrisika ny jiolahy ny fakàna an-keriny, sady mora tontosaina no volabe haingana…

D.R

Share This Post