Faravohitra : Vehivavy niboridana tanteraka hita faty

Omaly maraina be no tonga nampandre ny polisy ao amin’ny boriboritany faharoa ny mponina manodidina fa misy fatim-behivavy lehibe iray hita teo amoron-dalana, teny Faravohitra amin’ilay lalana avy eny Ambohijatovo hidina ho any Mangarivotra. Niboridana tanteraka ilay olona. Tokony ho eo amin’ny 60 taona eo izy io. Ireo nahita ny razana dia samy nanamarika fa mpandalo eny an-toerana io olona io fahavelony. Tsy dia misy mahafantatra marina izay toeram-ponenany kosa anefa. Nisy koa ny niteny fa anisan’ireny tsy manana trano ireny ity olona ity. Tamin’ny fahitana ny fatin’ity vehivavy lehibe ity, tsy nisy ratra hita mivantana teny amin’ny tenany. Tsy hay araka izany izay tena antony nahafaty azy na vokatry ny hatsiaka na zavatra hafa. Fa ny tena nahavariana ny maro dia izy tsy nisy akanjo mihitsy. Voaendaka ve sa zavatra hafa mihitsy, hoy ny fanontaniana mipetraka ? Tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny BC sy ny BMH nizaha ny razana. Avy amin’ny fanadihadiana ataon’izy ireo no mety ahafantarana marina ny antony nahafaty an’ity ramatoa ity. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy, omaly tamin’ny fotoana nahitana ny razana.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication