Ambohimangakely : Zaza 5 taona maty nodomin’ny 4×4

Jacaranda

Nitrangàna lozam-pifamoivoizana nahafaty olona ny teny Ambohimangakely, ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fantatra dia ankizilahy kely, 5 taona, no namoy ny ainy rehefa avy nodomina 4×4, an’ny ministera iray. Avy any Toamasina ity fiara ity no hakanty Antananarivo. Voalaza fa teo am-piampitana ny arabe ity ankizilahy kely ity no nofaohin’ilay fiara tsy mataho-dalana. Notantanan’ny rainy teny am-pita mantsy izy no nantsoin’ny reniny, izay tety amin’ilany am-pita. Maro fiara mifamezivezy aok’izany moa iny lalam-pirenena faharoa iny. Tsy nahatazana ity fiara mirimorimo avy any fa dia niampita ihany. Teo no nitranga ny loza ary mafy ihany ny dona nahazo ity lahikely ity. Nifamonjena nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana teny an-toerana izy saingy noho ny ratra nahazo azy dia tsy tana ny ainy raha vantany vao tonga teny an-toerana. Hifamoivoizan’ny fiara maro samihafa iny lalam-pirenena miatsinana iny ary mazàna misy loza amoizana ain’olona toa izao foana. Mila fitandremana fatratra, na avy amin’ireo mpitondra fiara, na avy amin’ireo olona monina amin’iny faritra iny.

m.L

Share This Post