Ambatolampy: Vehivavy voalaza fa mpangala-jaza nosamborin’ny olona

Vehivavy iray eo amin’ny 23 taona eo no notondroin’ny olona fa mpangala-jaza tany Ambatolampy. Nahazo antso ny polisy ny alatsinainy teo fa misy ramatoa iray tratran’ny fokonolona tao amin’ny fonkotany Ambanimaso. Avy hatrany dia nandeha tany an-toerana ireo mpitandro filaminana naka azy, noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka. Efa nisy moa ny fanentanana natao ny amin’ny tsy hamonona olona nanao heloka voasambotra na fitsaram-bahoaka. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa zazakely 1 taona sy 4 volana nentin’ny mpanampy nitsangatsangana no nosintosintonin’ity vehivavy ity. Nanohitra mafy ilay mpanampy ka tsy azony ilay zaza, hoy hatrany ny vaovao. Zanaky ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana, izay mpitory, io zaza io. Ankoatra izany, nisy zaza hafa koa natao sahala amin’izany fa tsy azony. Amin’ity raharaha ity, mijoro ho vavolombelona ilay mpanampy sy mpivarotra iray any an-toerana nahita ny fandehan-javatra. Rehefa nohadihadiana ilay vehivavy dia voalaza fa nanao mody adala. Avy eo nilaza fa olona dimy no naniraka azy, saingy tsy nety nanonona anarana izy. Nivadika indray ny filazany hoe ny Fanahy Masina no nibaiko azy, satria mila zaza atao sorona. Tsy mponina ao Ambatolampy ity olona ity fa avy any Antaniavo Antsirabe. Notazonina vonjy maika eny am-ponja ity vehivavy ity.

nangonin’i r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication