Ziona FJTSa7 : Pasitera Benjamina, naiditra am-ponja vonjimaika

Jacaranda

Re teny amin’ny fitsarana fa izay tsy mety miaraka mivavaka aminy rehetra na miala tsy ho isan’ny mpiangona ao aminy dia «  anononany ozona »

Niakatra teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, ny pasitera Benjamina mpitantana ny Ziona FJTSa 7 noho ny fitoriana napetrak’ireo olona niaraka nivavaka taminy teo aloha, saingy efa niala taminy. Vokany, nanapa-kevitra ny mpitsara ny handefa azy hotanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Olona marobe no tonga teny amin’ny fitsarana, omaly, mahakasika ity raharaha ity. Betsaka, araka izany koa, ny resaka re teny an-toerana momba ity mpitandrina amin’ny fiangonana zandriny ity. Fa ny vontoatin’ny fiakarana tiribonaly ity dia ny resaka trano tany Fianarantsoa. Nisy ramatoa iray nisintaka tamin’io vondrom-pivavahana io. Nahavita trano ara-dàlana tany Fianarantsoa ilay vehivavy ary natao trano hivavahana ilay izy. Taty aoriana kely anefa, tonga i pasitera nilaza fa azy ilay trano. Niakatra fitsarana ny raharaha ary dia mbola eny hatramin’izao. Nandray fepetra mihitsy ny tompon’andrikitra nanakatona ilay fiangonana. Ny resaka re teny an-toerana hatrany no ilazana fa ilay pasireta no nitondra ny raharaha teo anivaon’ny fitsarana. Tsy nijanona tamin’izao ireo mpiray finoana nisintaka ka nanatona ny fitsarana ihany koa nitory. “Efa ho roa volana izay no niantsoana azy fa tsy tonga izy mivady”, hoy fanambaran’ireo olona mahatsapa fa voafitaka. Farany, tonga ihany netin’ny zandary teny amin’ny fitsarana ilay pasitera. Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana izy, ary dia izao nalefa eny Antanimora izao. Amin’ny zoma voalohan’ny volana aogositra ny fitsarana azy eny Anosy.

Share This Post